50 taona

12/04,2008 | izahay irery

04 desambra 1958 - 04 desambra 2008


Ry masoandro ambony

09/23,2008 | izahay irery

Ry masoandro ambony!

Dia tsy avelan'ny lahatra sy anjara hiara-honina aminay mandrakizay lahy ianao!

Eny fa na dia efa nalainy tsy hasehony anay intsony aza ilay volana baliaka nankafizinay fahiny!

Ekena!

Tsy ho lavinay anefa izany satria fantatray fa handeha hanome taratra ireo mila izany any an-kafa ianao, satria fantatray fa tsy natao ho anay irery fa ikambananay amin'ny olona rehetra iray fiaraha-monina. 

Miandrandra anao hatrany izahay!

Manantena fa hiverina tsy ho ela hanome hazavana ho anay ianao, ary na dia any alavitra any aza dia ho tsinjonay avy aty ny tara-pahazavanao!

 Dada! Mahereza hatrany amin'ny làlana efa voasoratra ho anao

 

Sazykely

 


BarCamp Madagascar

09/12,2008 | izahay irery

Manao ahoana daholo e!

Elaela indray vao tafaverina, asa raha mbola tadidinareo ny fisiako na tsia lol

 

Handalo vetivety hiresaka ary ahnasa antsika rehetra hanatrika ny hetsikin'ny BarCamp Madagascar ao amin'ny IvoHotel Ambohidahy eo andamosin'ny Cours des Comptes amin'ny 4 oktobra 2008 amin'ny 9 ora maraina

Aza tara an!

 Any isika mifankahita e

Sazykely 


Tena mihodina tokoa ny tany

07/22,2008 | izahay irery

Je suis passée ici aujourd'hui parce que je savais que toi Grande soeur, tu vas écrire un article en mémoire de Neny;

Mihodina ny tany, cela nous est incroyable d'avoir pu cette année sans toi Neny. Mais nous devons l'admettre, lui: le destin. En plus, nous esperons que tu veilles toujours sur nous, là bas, au-delà, et c'est une raison de force de survie pour notre vie future.

Nos souvenirs seront éternels et nous ne t'oublierons jamais. Les derniers mots, le dernier sourire, le dernier soupir que tu nous a accordés resteront gravés pour toujours dans notre mémoire.

A tous ceux qui la connaissaient ou un membre de sa famille, merci d'accorder quelques secondes pour elle.

Neny; Neny; Neny 

 


Happy birthday to you Pissoa

05/27,2008 | fifaliana

Isan'andro aho raha vao mifoha dia mahatsiaro antsika mianakavy ary miezaka hatrany manonona tonom-bavaka ho antsika rehetra. Fa androany aho nahatsiaro manokana an'ny zoky ka nanonona tonom-bavaka misimisy kokoa ho azy. Mitsingerina androany ny andro nahaterahany. 

 

Mahatsiaro manokana an'i Neny kitapo nifonosany, kitapo nifonosanay.

Fa mahatsiaro betsaka an'i Zoky ihany koa. Zoky izay hatramin'ny fahakeliny no nipetraka ho zoky hatrany ho ahy eny fa na dia tsy mifanalavitra loatra aza ny taonanay roa:

-zoky ilay manome ahy ny gouter-any (vola ariary)rehefa mifanena izahay roa raha izaho avy nianatra maraina ary izy andeha hianatra hariva

-zoky ilay nitondra isan'andro ny kitapoko, ny kiraroko, ny akanjo bà-ko, ny tablier-ko rehefa mafana ny andro na isaky ny avy mianatra aza

-zoky ilay mizara amiko ny gouter-any raha laniko amin'ny vao maraina hividianana voamadilo rehefa andeha hianatra ny ahy

-zoky ilay nokapohan'ny olona teny an-dalana raha izaho nisy nahita nanoratsoratra arabe

-zoky ilay mandrandrana ny voloko raha sendra tsy mahavita Neny

 

Zoky zoky hatrany eny na dia any an-tany lavitra any aza, mirary soa be dia be ho azy hahavita ny zavatra ataony any ary mba hisy valiny izao fisasarany mafy sy fisarahany amin'ny fianakaviana izao.

 

 

 mofomamy ho an'ny zoky


1 2 3 4 5 6 7 8  Manaraka»