Ho fahatsiarovana akama iray izay efa nodimandry
Efa lefy tao an-tsaiko ny fahatsiarovana azy saingy tamin'ny 7 febroary teo ny anniversaire-ny dia tsaroako indray izy
Any izy izay, lasa nanalavitra ahy
Lasana nandao ,lasana tsy nahy
Any izy izay lasana any alavitra any
Lasana natory ,nody vovoka, nody ho tany
Any izy izay, ilay endriny mahafatifaty
Noharatsiana ,natao hoe ratsy
Dia niofo, niraraka ,nifangaro amin'ny tany
Ka na malahelo ahy aza tsy mba afa-mitomany
Any izy izay" ilay namako tiako indrindra"
Ilay azo lazaina hoe nanitsy ahy;ny famindra
Any izy izay ny soa nataony ahy rehetra
No hokajiako, hokoloiko ,ho fahatsiarovana hitoetra
