fizarana bulletin ho an'ny mpiblaogy

01/16,2008 | Ankapobeny

Saika nataoko hoe dokam-barotra ny lohatenin'izy ity dia tonga tao an-tsaiko tampoka fa hay moa tsy amidy ny blaogy.

Ianareo ve nanao kilalao mpampianatra mpampianatra tamin'ny mbola kely ( fanotaniana apetraka amin'izay efa lehibe fa tsy ny mbola kely toa an'i Pissoa io an lol)

Izaho ry reto na hatramin'izao aza dia mbola manao izany foana a! Dia faly be aho mampahafantatra anareo fa androany no atao ny fizarana bulletin ho antsika eto amin'ny blaogy dia ento ny ray aman-dreny na ny mpiantoka an. Tandremo sao dia mitondra olona sandoka!

Asa ny tianareo na hatomboka any amin'ny farany na any amin'ny voalohany, fa ny ahy dia ny dimy voalohany ihany no lazaina ampahibemaso fa ny ambiny kosa dia anotanio i HERY

Ireto ary ny laharana dimy voalohany (misy tsy mahandry mihitsy izy znay!!!!, itsy izao manatena hoe izy an!!! asa anefa!!)

ny voalohany IKALAMAKO ( ny antony satria izy nametraka ny sariko tany anaty blaoginy , misy kolikoly izany raha tsy azonareo lol)

ny faharoa DADARABE (ny antony satria misy zavatra tena tsy maintsy ilako azy dia andao izy mody atao faharoa lol satria manko ao anatin'ny blaoginy feno aingampanahy sy asan'ny saina be dia be tsara tohizo!)

ny fahatelo TOKINAO (satria ny blaoginy satria izy lehilahy dia izaho vehivavy lol laingako izany fa ny blaoginy kosa ry reto tena feno sary sy en couleur be mihitsy a)

ny fahaefatra PISSOA (ny antony sao dia vonoiny izaho raha tsy atao fahaefatra izy, non satria izy sahy mijoro amin'ny mahaizy azy hatramin'ny farany:

Sipakely miavonavona be.
Sarotra hifandraisana.
Mora tezitra sady mpitana alahelo.
Kizintina.
Vezetarianina.
Tsy tia gateau fa tia labiera.
sns.

ny fahadimy VAOVAOETOANTOERANA veto satria izy intellligent be maharaka actualités aty dago tsara

oadray izaho indray no adino! aiza koa ry HERY  ry tsiakisariaka, ...

euhhh!!! nefa io avy any amin'ny farany lol

NB: ny lisitra feno sy tena marina tsy misy kolikoly dia ho hitanao ao amin'ny takelaka fandraisana ny blaogy.com

asa ianareo na efa nandalo nitsidika tany na tsia fa ho an'izay mbola tsy nahita dia ireto misy blaogy izay tena nahazendana ahy tokoa ny nahita azy dia manasa antsika hitsidika azy ireo koa e!


NENY FIRENEKO

01/11,2008 | Ankapobeny

Ity hira ity, dia anisan'ny hira novokarin'ny ANKALAZAO NY TOMPO tamin'ny 1991 ary noraiketina ao anatin'ny atonta-kira Ankalazao tolona

Tonokira mampandinika ny fiainam-pirenena nefa koa azo hisaintsainana ny fiainana andavan'andro

vakio tsara ary dia tsakotsakoy

Mazotoa

Jereo ny akanjo tao voro-kitsay

Dia izao ve fitafy nomena anao ry Neny ô

 

Sanatria mivary lavo, misotro ny hanadino

 

Tsy mahatsiaro zo sy hasina maha-olona

  

Jereo ny ankizy fa mahonena

 

Isan’andro tsy kitay tsy vary maina ry Neny ô

 

Sanatria zaza sary, tsy manan-dray mpiahy

 

Ny ho avy tsy hay banjinina fa ny anio ihany

   

Mitsangana ianao ô ry Neny fireneko

 

Mitsangana ianao ka meteza moa hareniko

 

Amboary ny bikanao, diovy ny lambanao

 

Etsy hobangoiko ny volo misarakorako

 

Fa nahoana ianao no toa vovoka sahady?

 

Tsy mahatanty ve? Noresena lazon’ady

 

Andao alao hery, miarena ianao ry Neny

 

Indreo ny sandriko hianteheranao

   

Ry Neny ô, fireneko

 

Neniko, fireneko ianao

  

Fahiny fahagola, niadana isika

 

Soa iombonana ny masoandro nifaliana ry Neny ô

 

Nidiran’angano ny tokatranontsika

 

Fandrobana no manjaka sy fitiavan-tena

  

Mifohaza ry Neny, sao ilaozan’ny toetr’andro

 

Ihavaizy ny hery anaty ny hatanorana ry Neny ô

 

Hivereno dieny izao, Ilay endrikao fahiny

 

Andriambavy sahisahy filamatr’ireo zanany

   

Mitsangana ianao ô ry Neny fireneko

 

Mitsangana ianao ka meteza moa hareniko

 

Amboary ny bikanao, divy ny lambanao

 

Etsy hobangoiko ny volo misarakorako

 

Fa nahoana ianao no toa vovoka sahady

 

Tsy mahatanty ve? Noresena lazon’ady

 

Andao alao hery, miarena ianao ry Neny

 

Indreo ny sandiko hianteheranao

  

Ry Neny ô, fireneko

 

Neniko, fireneko ianao

  


mankaleo mihitsy

01/10,2008 | fifaliana

 

Asa indray ity andro ity na hanao ahoana na ahano ahoana? Omaly aho mantsy dia tena kotsa! soa fa efa maizina vao nody fa raha tsy izany angamba dia nahamenatra olona!

Ny olana koa moa dia ity halafosan'ny elo (tsy mahatakatra e!) lol

Sady tsy mba misy mpaka!!!

hihihi

 

 


mampalahelosady mahamenatra nefa mampihomehy anay

01/09,2008 | fifaliana

tamin'ny maraina, andeha hianatra rangory dia gaga be sady nalahelo nahita ny tenis tsara be lanin'ny voalavo.

nasehony anay ilay izy, sady nitraina izy fa ilay izy no tenis fananovany gymn fa hay zareo androany hanao EPS,

mba nangoraka azy ary i Champion zokiny, dia hoy izy hoe ny anà akia anaovana androany. ontsa ny foko naheno ny resany, saingy matin'ny fimehezana aho fa i Champion an lehilahy ngamba pointure 41 de i rangory kely an vehivavy pointure 37 hahahahaha

sady nampalahelo anà, no nampihomehy, nefa mahamenatra be koa ilay hoe lanin'ny voalavo.


BEMOLANGA VERSION SAZYKELY

12/27,2007 | fifaliana

BEMOLANGA, asa iny hira iny raha hainareo na tsia , fa izy iny dia mampieritreritra ihany.

Ny taona ity miherina 2007 lasa 2008
Asa izay mba hoentiny les 12 mois de l'année ihany io tsy hiova e!
Ahiako mbola hiverina tsy hisy Neny maty intsony e
Toy ny tamin’ny taona lasa ny zavatra raiketiny encore les 365 jours

Fa ny fanantenana
Efa mihena, mitsilopy
Fa tsy misy fahatsarana
Izay mety ho fiovana efa zary nofinofy

             Ireo voa nafafy ovy nisy nagalatra
             Taona maro lasa izany tam 2007
             Ho an’ny zanaka aman-jafy
             Mbola tsy vokatra ihany

             Efa taona firifiry
             No nantenaina hitondra soa
             Ahi-dratsy no naniry ngah tsy mba miava mitsy e
             Ny tany maina avokoa

-----
Mitombo ny fara-mandimby efa tsy voaisa intsony
Ny tany koa miha tery
Ny taona faly mifandimby
Mody marenina, minia tsy mijery

Manahy aho fa tsy hisy hiova
Ny omaly tsy hiova volo efa misy mihafotsy kosa e
Toy ny fanaka eny an-dRova
Ts’isy nanombinana fa efa zary bobongolo

             Rahoviana no hitranga
             Asa angamba atsy ho atsy
             No ho tonga i Bemolanga no ho  tonga sazykely iii
             Dia isika tsy ho lany vatsy

Dia hanao ahoana tokoa moa izany ity taona ho avy ity.

Taona 2008 tongava haingana ianao ka


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7  Manaraka»