DIA TSY MAINTSY HOE FALY INDRAY

12/27,2007 | fifaliana

 (tohiny)


ny Noelinay

12/26,2007 | fifaliana

Ny NOELINAY!!!

Asa ny anareo na nao ahoana fa ny ahy aloha no hotantaraiko eto anio!!!

ity no noely voalohany hatramin'izay tsy nahateo an'Neny izay.

Noely nahatsapana ny fahabangana saingy Noely ihany no anaran'iny na dia izanya za e!!!!

Ireto no nanamarika ny Noeliko tamin'ity

Nandeha namonjy sasakalina aho dia namokovoko be satria tena mahafinaritra ahy ny hira rehefa noely kanjo nony maraina ny andro dia tsy nahavoaka feo intsony aho.

ny hariva ndray dia hoy zokilahy hoe andao hiara mihira satria izahay rehefa tafaraka dia mba mampiara peo kely manao ireny classique ireny. Dia ts y nety aho dia mody  nolazaiko hoe izaho kamo fa meantra be za!!!

Aza tenenina aminy zany an!!!

 (tohiny)


Te-hizara hafaliana...

12/21,2007 | fifaliana

Te-hizara hafaliana aho saingy indrisy fa ilay tena tiako indrindra fizarako ny hafaliako dia tsy eto intsony.

kamo be aho handeha hiasa, miditra amin'ny valo aho dia tamin'ny fito sy sasany vao niala tany antrano nefa adiny iray no handehanako miasa isan'andro. Handeha hivoaka ny vavahady aho, toa misy zavatra tazako tao anaty boîte aux lettres, toa taratasy, ho an'iza anefa, toa soratanako no tazako dia avy toa misy cachet ny université, nidoboka ny foko, inona ary hoy aho??? Inona ary hoy ianareo no tao???  TARATASY AVY ANY AMIN'NY UNIVERSITE milaza fa voaray amin'ny fianarana tena niriko mafy hatrizay aho!!!!!!!!

nitsambikimbikina niverina nody aho, tsy noraraiko ny fahatarako, nasehoko azy telo mioatra tao antrano ilay taratasy fantatro fa faly koa ry zareo, avy eo izaho handeha hiasa, dia mbola lasa indray nitsikilo kely an'i DADA, fa izy manko lasa nivoaka vao maraina fa fizarana bulletin an'ny Rangory kely androany! hitako izy, navoakao ilay taratasy, toa mangana ny endriny fantatro ihany koa fa faly izy,

Nitohy indray ny diako, nandalo teny ankatso aho, nijery nandinika minitra vitsy ity ho fianarako vaovao, nilatsaka ny ranomasoko! nandalo tao antsaiko mantsy ny tsy maha eo an'ny NENY intsony tsy afa miara migoka amiko hafaliana be dia be toa izaho izay efa intelo misesy izay: ny nisondrotako kilasy, ny nahitalko asa, ary ity indray ny fahatelony

Fantatro fa raha mbola teo izy dia nilatsaka ny ranomaso, fa ity badokeliny no tonga amin'ny toy izao. Izy mantsy dia nanahy mafy ny amin'ny ho aviko satria izaho hatramin'izay dia toa badokely, tsy mba nety tonga saina amin'ny fandehan'ny fiainana soa fa tsy toy izany intsony ankehitriny...

tonga aty ampiasana aho izao, dia ilaozako manoratra ho anareoa to amin'ity fiseraserantsika ity satria te hizara ny hafaliako amintsika rehetrarehetra indrindra ho an'i PISSOA te hiantso azy aho noho ny amin'izany rhetra izany, izy mantsy no solondreny ho anay saingy lafo loatra ny miantso any ivelany sady izy koa fantatro fa tsy maintsy handalo hitsidika eto isan'andro!!!

dia ny hirariako, dia tsy ho izaho irery jo tojo hafaliana tsara be toy izao isan'andro fa isika rehetra dia mirary soa be dia be

SAZYKELY


dia izao sisa e!!!

12/19,2007 | izahay irery

Dia mandefa vetso sisa
No hitako mba azo atao
Hiezaka aho mba hitanisa
Ny alaheloko aminao

Anaty tonokalo fohy
Sy andian-teny vitsivitsy
Fa ity alahelo ity reroy
Mamely mafy tsy mitsitsy

Fa na ny saina na ny fo
Dia samy hifikirany
Maharary koa ny loha
Tsy mahazaka ny fisisiny

Ity alahelo ity mantsy
Tsy hita izay anaovana azy
Fa mafy noho ny didin'antsy
Izay tratrany mety hanavy


hira tiko be ty

12/17,2007 | izahay irery

I will follow him
Follow him wherever he may go
And near him I always will be
For nothing can keep me away
He is my destiny

I will follow him
Ever since he touched my heart I knew
There isn't an ocean too deep
A mountain so high it can keep
Keep me away
Away from his love

[Moderately Fast Rock]
I love him, I love him, I love him
And where he goes I'll follow, I'll follow, I'll follow
I will follow him
Follow him wherever he may go
There isn't an ocean too deep
A mountain so high it can keep
Keep me away

We will follow him
Follow him wherever he may go
There isn't an ocean too deep
A mountain so high it can keep
Keep us away
Away from his love

(I love him) Oh yes I love him
(I'll follow) I'm gonna follow
True love, he'll always be my true love
(Forever) From now until forever
I love him, I love him, I love him
And where he goes I'll follow, I'll follow, I'll follow
He'll always be my true love, my true love, my true love
From now until forever, forever, forever
There isn't an ocean too deep
A mountain so high it can keep
Keep us away
Away from his love

 

 

io hir io tiko be de miaino anio foana no anton,draharahako any antrano de any ampiasana

raha possible mety alefa any anty bus ko io ngamba de mbola niaino anio kou za tany anty bus


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7  Manaraka»