nandra ndray e!!!

12/17,2007 | izahay irery

hihihi saika hampiditra sary za reto de ts anay an!!!!

au secours!!!!


ho fahtsiarovana an'i Neny

12/17,2007 | izahay irery

SOA FA NISY IRENY

Soa fa nisy ireo hira
Izay fikalokalonao
Soa fa nisy ireo hira
Lasa fikaloko amin'izao
Ao am-bavako ireny
Ilay hira maminao ry Neny
Soa fa nisy ireo hira
Mampitodika ahy indray
Soa fa nisy ireo hira
Nampiaraha-peo fahizay
Mifono anatra ombieny
Tsaroako ireny rehetra ireny

Soa fa nisy ireo sary
Mampatsiahy ny endrikao
Soa fa nisy ireo sary
Mamelona ny tsikinao
Ao am-ponay indray ry Neny
Fa mafy ny nilaozanao
Soa fa nisy ireo sary
Mamerina ireo fahiny
Soa fa nisy ireo sary
Mampitadidy iny ora iny
Ny ora nanitrihana anao Neny
Hihidy anaty fasana ao


aingam-panahy

12/17,2007 | izahay irery

FITIA
Fitia vao mitsiry
Fitia tsy hananam-piry
Fitia tsy manam-petra
Fitia tsara noho ny rehetra

Fitia lazaina ho sarobidy
Fitia tena tsy ho voavidy
Fitia hambara fa hoe tokana
Fitia tsy ho voazaran'ny olana

Fitia tena vao tokoa
Fitia tsy hanam-paharoa
Fitia hokaloina hoe soa
Fitia sanatria tsy ho lo

Fitia andrandrain'ny maro
Fitia tsy azo hafangaro
Fitia milaza ho tena tia
Fitia ny fitiavantsika akia


irery manirery

12/17,2007 | izahay irery

IRERY-MANIRERY

Irery aho izao
Tsapako toa lavitra ahy, any ianao
Oriory izato foko
Tsy eo anilako ianao ilay tsy foiko


Nalatsako ny ranomaso
Ranomasom-panembonana, ranomason'ny ankaso
Ny foko vonton'alahelo
Mijaly manirery, indrisy toa mamelovelo



Ny saiko reraky ny tsiaro
Ireo andro niarahana, ora sy minitra maro
Any ianao any
Saraka anao izaho najary nitomany


RAY Ô!!!

12/17,2007 | izahay irery

RAY Ô!

Ray ô!
Misy zanakao enjehina
Fa hoe tsy mendrika ho tiavina
Fa mahantra ka tetehina
Hovonoina sy halevina
Ray ô!aza avela ho very maina
Ny fahoriana izay hiaretany


Jesoa ô!
Ny zandrinao hiray fo
Tsy avela fa sakanana
Tadiavina ho verezin-jo
Fa hoe tsy mendrika fiadanana
Jesoa ô!aza avela ho very maina
Ny fitiavana ao am-pony


Fanahy ô!
Tongava hanampy anay hitolona
Hatanjaho ny fo sy saina
Enga anie ho eken'ny olona
Ny firaisanay aina
Fanahy ô!aza avela ho very maina
Ny tolona ilofosanay
 
PIRATE NO!!!


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7  Manaraka»