hanao veloma vetivety

03/04,2008 | Ankapobeny

Tsy hoe hanadino sanatria antsika namana rehetra eto amin'ny blaogy sy ny serasera. saingy atosiky ny fiainana ka voatery hiato kely fotsiny. Mbola hiverina aho an!!!

Miditra mantsy no eny  am-pianarana ka mety tsy hiasa kely aho ary rehefa tsy miasa dia tsy mahazo connexion garatuite intsony. Aty dago mantsy lafo be ny connexion raha mankany amin'ny cyber sady mba aleo aloha hitady concentrement kely lol amin'ny fianarana dia mba ho tafitafita kely eny e!

 Mandra-pihaona ho an'izay afa-mihaona amiko! mandra-piresaka sy mandra-panoratra indray ho antsika rehetra rehetra


ny tagy sy taggé amiko

02/22,2008 | Ankapobeny

Voatery aho manoratra ity article ity, ho fanomezam-boninahitra ireo izay nanao fikarohana mafy momba azy mitsam ireo sy ho famaliana any antso nataon'ikalamako

TAGY, TAGGE aiza ary lisany fa tena tsy azoko mihitsy e!

mifono misitery lehibe ho ahy ireo teny ireo saingy ohatran'ny hoe lamaody moa dia mba hanandrana koa vendrana koa.

 TAGGE nitady an'là no nataoko androany tontolo fa tsy hitako ialahy, nanerana ahy ny internet, navadiko tsitairay ny takelaky ny dictionnaire, nanotaniako daholo ireo olona mety ho fantatro nifanena amiko androany ary siora aho fa hanonofy an là raha mbola tsy hitako alohan'ny hatory ialahy sy ny misitery lehibe entin'ialahy

 TAGGE modia haingana fa miandry NENY lol

 


site gasy vaovao

02/21,2008 | Ankapobeny

tiy misy site gasy vaovao tiako ho tsidihintsika.

www.jejooweb.com

site an'ny Gazety JEJOO izy ity izay ho antsika mbola tsy mahalala dia gazety mivoaka isankerinadro aty an-tanindrazana, gazety natolotra bebe kokoa ho an'ny reny saingy azon'ny rehetra mamaky azy hanovozana hevitra vaovao.

MAZOTOA ARY. 


ce matin dans ma chambrette version olona

02/18,2008 | Ankapobeny

hihihi nitsidika site fotsiny no nataoko hatramin'ny nipetrahako teto efa ho adiny iray sy sasany izaho fa tsy niasa.

nahita ity zavatra iray somary nahaliana ahy ity aho dia tiako ho zaraina amintsika eto .

 

 

 


misy tokoa ve ny ratsiana?

02/13,2008 | Ankapobeny

Asa isika na mino an'izany na tsisy fa ny toe-javatra hitako amin'izao fotoana izao dia mampirisika ahy hino ny fisian'izany.

Manana namana roa aho; samy mitondra vohoka izy roa. Dia tena mandreraka tokoa (tsy atao eo imasony), tsy maintsy  mahita irika hiadivana amiko foana izy roa ireo isan'andro. Ary raha tsy mahita antony dia mitsangana miala eo amin'ny toerana misya zy izy mba hanongo ahy faran'izay maharary ka iny indray no mitarika ny ady avy eo.

 

Miady, mifanao taim-bava, izy moa manongo dia izaho mba miaro tena e! (tsy hoe manatsara vatana aho akory fa izaho tsy ratsiana an!)

ny mahagaga ahy , ny nahafantarako izany hoe ratsiana dia resaka sakafo na fofona fa tsy nahafantatra ny fisian'izany ratsian'ady aho. Satria rehefa nitaraina tamin'ny olona aho dia hoy ny ankamaroany hoe aza omena tsiny izy fa ratsiana e!

Dia misy tokoa angamba ny ratsiana na tsy ninoako aza teo aloha dia voatery aho hinoa zy ankehitriny.

ny mahagaga faharoa, tena amrina ve fa raha fiadiana amin'ny olona iray ny bevohoka dia hanjary hitovy amin'ilay olona hiadiany iny foana ny zanany.

Nanao echographie hono mantsy ny iray dia nolazainy fa lava be hono ilay zanany izaho manko eo amin'ny 1 metatra sy 68 sentimetatra eo ho eo , raha izy mivady anefa no jerena dia zara raha misy 1 metatra sy 60 ka tsy ho avy mihitsy izany no nahalava ilay zanany.

 Nymahagaga ahy farany dia ny hoe hatramin'ny sakafo izay hohaniko rehetra dia maharatsiana ireto namako avokoa ka manjary manafatra ahy hitondra laoka ho azy foana aho isan'andro raha tsy izany ny ahy no alainy dia izaho no tsy mihinana. 

 

Aza mba manana namana ratsiana ihany e'!