Happy birthday to you Pissoa

05/27,2008 | fifaliana

Isan'andro aho raha vao mifoha dia mahatsiaro antsika mianakavy ary miezaka hatrany manonona tonom-bavaka ho antsika rehetra. Fa androany aho nahatsiaro manokana an'ny zoky ka nanonona tonom-bavaka misimisy kokoa ho azy. Mitsingerina androany ny andro nahaterahany. 

 

Mahatsiaro manokana an'i Neny kitapo nifonosany, kitapo nifonosanay.

Fa mahatsiaro betsaka an'i Zoky ihany koa. Zoky izay hatramin'ny fahakeliny no nipetraka ho zoky hatrany ho ahy eny fa na dia tsy mifanalavitra loatra aza ny taonanay roa:

-zoky ilay manome ahy ny gouter-any (vola ariary)rehefa mifanena izahay roa raha izaho avy nianatra maraina ary izy andeha hianatra hariva

-zoky ilay nitondra isan'andro ny kitapoko, ny kiraroko, ny akanjo bà-ko, ny tablier-ko rehefa mafana ny andro na isaky ny avy mianatra aza

-zoky ilay mizara amiko ny gouter-any raha laniko amin'ny vao maraina hividianana voamadilo rehefa andeha hianatra ny ahy

-zoky ilay nokapohan'ny olona teny an-dalana raha izaho nisy nahita nanoratsoratra arabe

-zoky ilay mandrandrana ny voloko raha sendra tsy mahavita Neny

 

Zoky zoky hatrany eny na dia any an-tany lavitra any aza, mirary soa be dia be ho azy hahavita ny zavatra ataony any ary mba hisy valiny izao fisasarany mafy sy fisarahany amin'ny fianakaviana izao.

 

 

 mofomamy ho an'ny zoky


Iza tokoa moa i Valentin?

02/13,2008 | fifaliana

I valentin dia lehilahy iray.

Lava be izay izy (bôgôsy sady be detente)

Eo amin'ny 1 metratra sy 95 sentimetatra.

Maranidranitra endrika.

Miakanjo "mihaja"

Tia fivavahana

Tia namana

Mazoto mitsena ahy amin'ny fiara

Manaja ny fotoana

Manam-bola ataoko gouter

Mpampifaly ahy

Mankafy ny asako sy zavatra ankafiziko

Tia miady hevitra fa tsy be dohika

Somary mipiripirina fa tsy hoe sarim-bavy an

Toa mitoetra ao aminy ny hatsarana rehetra saingy indrisy fa vao hotadiavina i Valentin!!! izay mahita azy hiangaviako hilaza aminy fa minadrya zy fatratra aho lol


hira hira tamin'ny mbola kely

01/29,2008 | fifaliana

ity lahatsoratra ity dia nosoratako mba ahatsiarovako ny fahazazako, sy mba hampanembona anareo ny anreo ihany koa.

NB: ho an'izay efa lehibe ankehitriny

 mba nihira sy nanao fetifety koa mantsy izahay tamin'ny mbola kely, dia leo be fa bedy foana fa hoe miteniteny foana hono. Itony ary ny santionany e!

Bôbô sigarety e, sigarety tokana a

Bôbô sigarety e, sigarety tokana

Mihetsika bôbô sigarety e, mihetsika bôbô sigarety e

nisy ankizivavy iray, niara-nianatra taminay i

ny anarany tsy atoroko, ô ry sazykely(3)

tiako ianao ianao ianao ianao

ianao sy rainibao

hihihi fa asa aloha io rainibao io e(tamin'izany izy tsy fantatro, eny e na izao koa aza fa aza ny rahampitso? )

 

Mademoiselle Chantal e makoiaia

fa tsy aiko hoe inona no dikan'izany an

 

jémé la golette, savé vous commnet?

lokanay sosety e, afangaro amin'ny anatsinah????

fa tsy izany no tena tsara  sy nahafinaritra ahy indrindra fa izaho tamin'ny mbola kely dia efa nahay namoron-kira. averiko eto izy androany 

Ny vonikazoko re

Miakatra lava be

Manaka-danitra

Fa teo ho any amin'Andriamanitra

 

raha te-hihira ianareo dia ny feony mitovy amin'ilay hoe ma petite maman iny fa tandremo fotsiny sao dia avalana ny hirako fa izaho manko somary sarotiny izay ihany an

 

intello kely za e, sady miketrika an

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 


mankaleo mihitsy

01/10,2008 | fifaliana

 

Asa indray ity andro ity na hanao ahoana na ahano ahoana? Omaly aho mantsy dia tena kotsa! soa fa efa maizina vao nody fa raha tsy izany angamba dia nahamenatra olona!

Ny olana koa moa dia ity halafosan'ny elo (tsy mahatakatra e!) lol

Sady tsy mba misy mpaka!!!

hihihi

 

 


mampalahelosady mahamenatra nefa mampihomehy anay

01/09,2008 | fifaliana

tamin'ny maraina, andeha hianatra rangory dia gaga be sady nalahelo nahita ny tenis tsara be lanin'ny voalavo.

nasehony anay ilay izy, sady nitraina izy fa ilay izy no tenis fananovany gymn fa hay zareo androany hanao EPS,

mba nangoraka azy ary i Champion zokiny, dia hoy izy hoe ny anà akia anaovana androany. ontsa ny foko naheno ny resany, saingy matin'ny fimehezana aho fa i Champion an lehilahy ngamba pointure 41 de i rangory kely an vehivavy pointure 37 hahahahaha

sady nampalahelo anà, no nampihomehy, nefa mahamenatra be koa ilay hoe lanin'ny voalavo.