RAY Ô!!!
Published on 12/17,2007
RAY Ô!
Ray ô!
Misy zanakao enjehina
Fa hoe tsy mendrika ho tiavina
Fa mahantra ka tetehina
Hovonoina sy halevina
Ray ô!aza avela ho very maina
Ny fahoriana izay hiaretany
Jesoa ô!
Ny zandrinao hiray fo
Tsy avela fa sakanana
Tadiavina ho verezin-jo
Fa hoe tsy mendrika fiadanana
Jesoa ô!aza avela ho very maina
Ny fitiavana ao am-pony
Fanahy ô!
Tongava hanampy anay hitolona
Hatanjaho ny fo sy saina
Enga anie ho eken'ny olona
Ny firaisanay aina
Fanahy ô!aza avela ho very maina
Ny tolona ilofosanayPIRATE NO!!!
lasa izao ary an !
Dia clap clap clap aloha no andraisanay azy. Ho faly DadaRabe rehefa miverina fa hay misy misolo vaika ny ankalana...Misaotra e.
misaotra am le tehaka e
de ts misolo an dadarabe za fa mba te anandrana anao toa a zy kou
za fotsiny tsisy volombava e lol
hi hi hi !
iny njay no tsy hitako.
Ito ny blaogin'i dadarabe raha mbola tsy hitanjy !