dia izao sisa e!!!
Published on 12/19,2007
Dia mandefa vetso sisa
No hitako mba azo atao
Hiezaka aho mba hitanisa
Ny alaheloko aminao
Anaty tonokalo fohy
Sy andian-teny vitsivitsy
Fa ity alahelo ity reroy
Mamely mafy tsy mitsitsy
Fa na ny saina na ny fo
Dia samy hifikirany
Maharary koa ny loha
Tsy mahazaka ny fisisiny
Ity alahelo ity mantsy
Tsy hita izay anaovana azy
Fa mafy noho ny didin'antsy
Izay tratrany mety hanavy
Aza manam-be e !
Soa aza ianao fa mahay mikalo
Ny alahelo mantsy mampimalo
sns sns
tsikisariaka: soa fa nisy anao namaky fa ra ts zany lany fotsiny ny eritsaiko lol
hi hi hi - mampivarahontsana le hoe didin'antsy.
aiza kosa sazikely a ! ny soratra dia tahiry foana ka tsy ilaozan'izay mpamaky e ! Miandry fotoana ny zava-drehetra fa izaho no tonga aloha teto. Matoa ianao nanoratra dia nizara ary natoa aho nandalo dia nandray sy namaly zara koa. Dia toy izany foana.
didiantsy ve de mampivaraontsana e!!!
saika ataoko pô basy ary io fa tena tsy miady ndray l rime!!!