Te-hizara hafaliana...

Published on 12/21,2007

Te-hizara hafaliana aho saingy indrisy fa ilay tena tiako indrindra fizarako ny hafaliako dia tsy eto intsony.

kamo be aho handeha hiasa, miditra amin'ny valo aho dia tamin'ny fito sy sasany vao niala tany antrano nefa adiny iray no handehanako miasa isan'andro. Handeha hivoaka ny vavahady aho, toa misy zavatra tazako tao anaty boîte aux lettres, toa taratasy, ho an'iza anefa, toa soratanako no tazako dia avy toa misy cachet ny université, nidoboka ny foko, inona ary hoy aho??? Inona ary hoy ianareo no tao???  TARATASY AVY ANY AMIN'NY UNIVERSITE milaza fa voaray amin'ny fianarana tena niriko mafy hatrizay aho!!!!!!!!

nitsambikimbikina niverina nody aho, tsy noraraiko ny fahatarako, nasehoko azy telo mioatra tao antrano ilay taratasy fantatro fa faly koa ry zareo, avy eo izaho handeha hiasa, dia mbola lasa indray nitsikilo kely an'i DADA, fa izy manko lasa nivoaka vao maraina fa fizarana bulletin an'ny Rangory kely androany! hitako izy, navoakao ilay taratasy, toa mangana ny endriny fantatro ihany koa fa faly izy,

Nitohy indray ny diako, nandalo teny ankatso aho, nijery nandinika minitra vitsy ity ho fianarako vaovao, nilatsaka ny ranomasoko! nandalo tao antsaiko mantsy ny tsy maha eo an'ny NENY intsony tsy afa miara migoka amiko hafaliana be dia be toa izaho izay efa intelo misesy izay: ny nisondrotako kilasy, ny nahitalko asa, ary ity indray ny fahatelony

Fantatro fa raha mbola teo izy dia nilatsaka ny ranomaso, fa ity badokeliny no tonga amin'ny toy izao. Izy mantsy dia nanahy mafy ny amin'ny ho aviko satria izaho hatramin'izay dia toa badokely, tsy mba nety tonga saina amin'ny fandehan'ny fiainana soa fa tsy toy izany intsony ankehitriny...

tonga aty ampiasana aho izao, dia ilaozako manoratra ho anareoa to amin'ity fiseraserantsika ity satria te hizara ny hafaliako amintsika rehetrarehetra indrindra ho an'i PISSOA te hiantso azy aho noho ny amin'izany rhetra izany, izy mantsy no solondreny ho anay saingy lafo loatra ny miantso any ivelany sady izy koa fantatro fa tsy maintsy handalo hitsidika eto isan'andro!!!

dia ny hirariako, dia tsy ho izaho irery jo tojo hafaliana tsara be toy izao isan'andro fa isika rehetra dia mirary soa be dia be

SAZYKELY


Hevitra

  1. 12/21,2007 | 08:17

    nilatsaka ny ranomasoko nanoratra ity
    tsy vitan'izany fa izay rehetra mpiara miasa amiko tonga eto dia itantarako izany avokoa, tsy mety afa-po aho fa feno loatra ny foko

  2. 12/21,2007 | 10:27

    Arahabaina akia izany a ! Dia tontosao tsara izany fa nitady toko ianao ka sendra vato. Tongava amin'ny avo indrindra e !
    Dia tandremo koa ry Pissoa mitomany eo an, indry izao no taratr'i sazykely, rehefa mafy be indry dia mafy be koa izy.
    kiss kiss r'izy roa a !

  3. 12/21,2007 | 11:06

    misaotra bdb an Ikalamako e

  4. 12/21,2007 | 13:15

    salut njyyyyyy

    saykely : felicitation retsy a.tataranjy amiko en couleur io fa amin'ny alahady aprem za miantso any an-trano a !
    dia ataovy tsara fa tsisy bossy tsy laitran'ny zoto izany e. kisss njy.

    androany angaha ry rangory kely no vakansy zany ?

    Ikalamako : za zao efa lehibe dia tsy be konetaka tsony, hi hi hi.

  5. 12/21,2007 | 13:27

    Arahabaina sazikely a ! zaho koa aza mba nisento namaky ilay izy ko ! fa noresen'ny hafaliana amin'ny vaovao tsara ilay alahelo kely teo.Miombona amin'ny fihetseham-po rehetra na dia tsy mifankahalala tsara aza e. Mitsiky dia misariaka akia a!
    Mahereza dia mahavità be an ! misondrota hatrany.

  6. 12/24,2007 | 23:07

    zoie noel njy ry sazykely a !!!

    hi hi hi

  7. 12/28,2007 | 12:31

    misaotra antsika e

Leave a Reply