DIA TSY MAINTSY HOE FALY INDRAY

Published on 12/27,2007

omaly raha naheno hoe maty dadabe de  voadona kely ihany, saingy tsy nitomany satria CONAN lol laingako zany fa izy kosa efa tena antitra be efa 93 taona.

Voatery nandeha teny tamin'ny firy alina soa fa nisy an i Lova (bandy akama)nety nanatitra anay teny dia avy eo nandeha nanatitra nody indray !!!! thanks  lesy a!!!

Nony maraina ny andro, saika tsy taitra, saika tara nefa amin'io nahita asa vaovao dia voaantso hanao entretien d'embauche! Nikoropaka, dia tsy nihinan-kanina maraina. Ngamba koa tsy niborosy nify lol.

Dia nandeha niimprimer CV aloha izay vao nandray bus166 kay ilay Bus tena mbola ho ela vao feno. Dia nitaintaina no hany azoko natao. Tonga tamin'ny sivy aho nefa tamin'ny valo no fotoana. Dia tonga sisa par politesse fa efa tsy nanatena intsony.

Kay rehefa nandeha ny resaka dia hoe VOARAY INDRAY e!!! Mitahy Andriamanitra hoy aho!

avy hatrany aho dia niantso tany antrano; nampandre an'ny Dada fa izany mantsy izao no mahafaly azy.

Fa ny tena hampihomehy, hampianatra amina fianarana ambaratonga ambony ilay asa, nefa za vao firy taona, dia hoy ilay talé hoe MIEZAHA IANAO MANAO POZINA MADAMA? ARY MANEKE ANTSOIN'NY MPIANATRA HOE MADAMA, nojereko ny fiche ny mpianatra kay mbola misy zokiko be dia be ( asa raha hisy bogosy!!!!!!!enga anie) lol

Dia avy eo nandeha niasa. Tonga tato aho nitsidika, efa saika tsy hanoratra sao dia lazainareo fa be zesta lol, nefa tsy haiko ny tsy hizara aminareo namako ny hafaliana ao anatiko.

faly aho e!!!!! hoy ilay ranamana iray izay

Dia ianareo koa irariana ahita asa tsara be


Hevitra

  1. 12/27,2007 | 12:55

    Odry ! o ry kala, angaha tsy hianatra ndray amin'ny fidirana no hoe nanaiky asa ?!!!!!!!!!!!!!!

  2. 12/27,2007 | 13:01

    ka asa io kou

    Sady za te anambola be ka lol

Leave a Reply