NENY FIRENEKO

Published on 01/11,2008

Ity hira ity, dia anisan'ny hira novokarin'ny ANKALAZAO NY TOMPO tamin'ny 1991 ary noraiketina ao anatin'ny atonta-kira Ankalazao tolona

Tonokira mampandinika ny fiainam-pirenena nefa koa azo hisaintsainana ny fiainana andavan'andro

vakio tsara ary dia tsakotsakoy

Mazotoa

Jereo ny akanjo tao voro-kitsay

Dia izao ve fitafy nomena anao ry Neny ô

 

Sanatria mivary lavo, misotro ny hanadino

 

Tsy mahatsiaro zo sy hasina maha-olona

  

Jereo ny ankizy fa mahonena

 

Isan’andro tsy kitay tsy vary maina ry Neny ô

 

Sanatria zaza sary, tsy manan-dray mpiahy

 

Ny ho avy tsy hay banjinina fa ny anio ihany

   

Mitsangana ianao ô ry Neny fireneko

 

Mitsangana ianao ka meteza moa hareniko

 

Amboary ny bikanao, diovy ny lambanao

 

Etsy hobangoiko ny volo misarakorako

 

Fa nahoana ianao no toa vovoka sahady?

 

Tsy mahatanty ve? Noresena lazon’ady

 

Andao alao hery, miarena ianao ry Neny

 

Indreo ny sandriko hianteheranao

   

Ry Neny ô, fireneko

 

Neniko, fireneko ianao

  

Fahiny fahagola, niadana isika

 

Soa iombonana ny masoandro nifaliana ry Neny ô

 

Nidiran’angano ny tokatranontsika

 

Fandrobana no manjaka sy fitiavan-tena

  

Mifohaza ry Neny, sao ilaozan’ny toetr’andro

 

Ihavaizy ny hery anaty ny hatanorana ry Neny ô

 

Hivereno dieny izao, Ilay endrikao fahiny

 

Andriambavy sahisahy filamatr’ireo zanany

   

Mitsangana ianao ô ry Neny fireneko

 

Mitsangana ianao ka meteza moa hareniko

 

Amboary ny bikanao, divy ny lambanao

 

Etsy hobangoiko ny volo misarakorako

 

Fa nahoana ianao no toa vovoka sahady

 

Tsy mahatanty ve? Noresena lazon’ady

 

Andao alao hery, miarena ianao ry Neny

 

Indreo ny sandiko hianteheranao

  

Ry Neny ô, fireneko

 

Neniko, fireneko ianao

  


Hevitra

  1. 01/11,2008 | 19:23

    hi hi - tsy ny comment anie no ho mitsidika na tsia e ! lol

    asio feony e, hi hi.

  2. 01/12,2008 | 23:37

    Inty ary aho fa nitsidika ô :-); Msôtra e

  3. 01/14,2008 | 06:55

    hahaha zay tokoa nareo dia nijery de nanoratra ny anh ange areti-tsaina efa ts o sitrana intsony n nanoratako io comment io e
    misaotra e

Leave a Reply