any ianao razoky!!!
Any ianao Zoky malala tsy hadino,
kilasimandry manirery any ho any.
Tinaitran’embona nandalo
zandrinao ka indro, manina ka manoratra.
Tsy dia misy vaovao
malahelo anao ny aty,
Ilay sakakelintsika
vao nifo-nify dia maty
E! e! e!
Fa ny tena hasambaranay ambamin-dry Neny
dia ny mahazo taratasy avy any aminao
milaza fa salama tsara tsy manahy,
ary ny fianarana mandroso.
Efa mila tsy ho andriko
Ny fotoam-pialan-tsasatra
Hilalaovantsika roalahy
Eo an-tokontanibe
E! e! e!
Hofaranako ny taratasiko kanefa
Miala tsiny tsy nahasoratra betsaka aho razoky
Maika hiana-desona aho ka aza tsiny indrindra
Mandra-pihaona mahereza re!
hira ho an'i Jojoky
mody misy ao anatin'io oe malaelo anao ny aty nefa zay ts malaelo akoury lol
malaelo kambony e
Hi hi - ntsoooo
saotsa eeeee
tadidiko le mati le saka kelitsika iny de tsika le vendrana be le niandry faty
asa ra tadidindry zany ra ts tadidindry de aza lazaina oe mamorona za an
zany hono ry pissoa a! ataovy hoe marina hono na dia diso aza :-). Saka koa ve rangah dia andrasana hihihi.
saka io kou , sady saka nanana valeur sentimentale le izy fa sakan bebeanay taloha nge e
Mahafinaritra ny fankatiavann'y mpianakavy.
hita oa lol
n an dadarabe zao mifankatia tsara ery hatramin'ny zafikeliny e