Ho fahatsiarovana akama iray izay efa nodimandry

Published on 02/09,2008

Efa lefy tao an-tsaiko ny fahatsiarovana azy saingy tamin'ny 7 febroary teo ny anniversaire-ny dia tsaroako indray izy 

 

Any izy izay, lasa nanalavitra ahy
Lasana nandao ,lasana tsy nahy
Any izy izay lasana any alavitra any
Lasana natory ,nody vovoka, nody ho tany

Any izy izay, ilay endriny mahafatifaty
Noharatsiana ,natao hoe ratsy
Dia niofo, niraraka ,nifangaro amin'ny tany
Ka na malahelo ahy aza tsy mba afa-mitomany

Any izy izay" ilay namako tiako indrindra"
Ilay azo lazaina hoe nanitsy ahy;ny famindra
Any izy izay ny soa nataony ahy rehetra
No hokajiako, hokoloiko ,ho fahatsiarovana hitoetra


Hevitra

  1. 02/09,2008 | 11:05

    Ka zah koa saika lasa ko ngah tsy loza!

  2. 02/09,2008 | 11:18

    harilova: de manoratra ho anao kou za e hihihi
    ilazao fotsiny a

  3. 02/09,2008 | 16:27

    IZY

    Na lasana aza izy,
    Lasana tsy nahy,
    Mety ianao ho kivy,
    Ho tola ny fanahy.

    Ny androany sy ny omaly
    Tsy hitovy intsony !
    Mpisy eto an-tany izany,
    Kanefa anie tsarovy :

    Ny Ray ao ambony,
    Manala ny mangidy,
    K'aza tomany intsony !
    Fa efa sambatra izy !

    DdRb
    SPM 09/08/02

  4. 02/09,2008 | 16:28

    SPM 09/02/08

  5. 02/09,2008 | 22:19

    any izy izay ...

  6. 02/11,2008 | 12:16

    dadarabe: misaotra e
    pissoa: any izy izay....

Leave a Reply