misy tokoa ve ny ratsiana?
Asa isika na mino an'izany na tsisy fa ny toe-javatra hitako amin'izao fotoana izao dia mampirisika ahy hino ny fisian'izany.
Manana namana roa aho; samy mitondra vohoka izy roa. Dia tena mandreraka tokoa (tsy atao eo imasony), tsy maintsy mahita irika hiadivana amiko foana izy roa ireo isan'andro. Ary raha tsy mahita antony dia mitsangana miala eo amin'ny toerana misya zy izy mba hanongo ahy faran'izay maharary ka iny indray no mitarika ny ady avy eo.
Miady, mifanao taim-bava, izy moa manongo dia izaho mba miaro tena e! (tsy hoe manatsara vatana aho akory fa izaho tsy ratsiana an!)
ny mahagaga ahy , ny nahafantarako izany hoe ratsiana dia resaka sakafo na fofona fa tsy nahafantatra ny fisian'izany ratsian'ady aho. Satria rehefa nitaraina tamin'ny olona aho dia hoy ny ankamaroany hoe aza omena tsiny izy fa ratsiana e!
Dia misy tokoa angamba ny ratsiana na tsy ninoako aza teo aloha dia voatery aho hinoa zy ankehitriny.
ny mahagaga faharoa, tena amrina ve fa raha fiadiana amin'ny olona iray ny bevohoka dia hanjary hitovy amin'ilay olona hiadiany iny foana ny zanany.
Nanao echographie hono mantsy ny iray dia nolazainy fa lava be hono ilay zanany izaho manko eo amin'ny 1 metatra sy 68 sentimetatra eo ho eo , raha izy mivady anefa no jerena dia zara raha misy 1 metatra sy 60 ka tsy ho avy mihitsy izany no nahalava ilay zanany.
Nymahagaga ahy farany dia ny hoe hatramin'ny sakafo izay hohaniko rehetra dia maharatsiana ireto namako avokoa ka manjary manafatra ahy hitondra laoka ho azy foana aho isan'andro raha tsy izany ny ahy no alainy dia izaho no tsy mihinana.
Aza mba manana namana ratsiana ihany e'!
Matoa ianao nahita dia misy izy izany ry sazykely !
Sa ahona ?
HItondray laoka izy é! dia voankazo koa ! dia tsikitsiky.
Misy koa anie manana ratsiana na tsy manaizana aza é!
Nefa tsy ratsiana intsony ny anarany raha izay !
filam-baniny raha izay ry DdRb. Ny an'ny bevohoka ihany no antsoina hoe ratsiana.
de mandefitra foana za zany i
le mitondra laoka mantsy tsy mapaninona ahy fa ilay iadivany toa oatran ts zakako kou
ts azoko
tô ts mifanaraka amin'ny isa eo ambony ny isan'ny comment itako eto
avereno ny ahy ho anizay naka azy lol
sazykely : zah omaly 13 feb t@ 16h saika nametraka "fanamarihana" teto. de lazainy fa "The authentication code is wrong" nefa efa ataoko marina tsara izao. dia namerina nandefa an'ilay fanamarihana za, efa ho in-16 :-). Fa de indrisy tsy nety hihihi. Avy eo anefa de nipoitra ihany kay ny 2 t@'ireo 16 ireo.
azafady e!
Efa nisy nahita fanazavana ara-tsiantifika momba an'izany manaizana zany ve nareo ?
Sa tsy mpitranga aty ivelany izany ? ( mety ho adaladala ny fanontaniako fa dia apetrako).
Misy mantsy zavatra tsikaritry ny ntaolo malagasy no mbola tsy nohalalinina tsara t@ siansa. ( asa .. mety hoe mbola tsy tsikaritry ny vazaha angamba. toy ilay hoe : "mahita volana alohan'ny biby" : fihetsehan'ny kankana refa tsinambolana, ilay fitadiavana tany handavahana loharano @ alalan'ny hazo misampana, sns )
sazykely : alefako mail any aminjy io resaka hevitra io amin'ny manaraka. hi hi
tokinao: nejereko n spam ko fa kay n comments nalefan là rht lasa any daolo de ef voavakiko fa merci e
Angamba resaka hormones no mahatonga ny maha-ratsiana dia samy manana ny fisehoany sy fahaizany mifehy azy, raha voafehy! :-)
Tena ratsiana ady koa aho tamin'ny bevohoka ary manao tahaka ireo naman'i sazykely ireo fa izaho indray tsy manongo ka, fa be vava :-(
Ny resaka sakafo, izay hitan'ny masoko, tiako hohanina daholo. Na andro alina be aza dia mangalatra mihinana mikesokesoka ao anaty haizina ao :-D