Iza tokoa moa i Valentin?
Published on 02/13,2008
I valentin dia lehilahy iray.
Lava be izay izy (bôgôsy sady be detente)
Eo amin'ny 1 metratra sy 95 sentimetatra.
Maranidranitra endrika.
Miakanjo "mihaja"
Tia fivavahana
Tia namana
Mazoto mitsena ahy amin'ny fiara
Manaja ny fotoana
Manam-bola ataoko gouter
Mpampifaly ahy
Mankafy ny asako sy zavatra ankafiziko
Tia miady hevitra fa tsy be dohika
Somary mipiripirina fa tsy hoe sarim-bavy an
Toa mitoetra ao aminy ny hatsarana rehetra saingy indrisy fa vao hotadiavina i Valentin!!! izay mahita azy hiangaviako hilaza aminy fa minadrya zy fatratra aho lol
ity aho ity atao izay atao
ity aho ity raha mila ahy ianao
tena za akia zany ah! hi hi hi
courage e
Nisy iray kilasy tamiko taloha hoe VAlentin. Saingy tsy tena mitovy amin'ny nofinofinao.
:-)
ha ha ha ha ha !
miakanjo mihaja ôtran'i zokinay ve hihihi
nitomany izy nandalo teto
kanefa aho noferany mafy
tsy hilaza aminao izay nombany
sy ny tanjona izay hiafarany
oadray re ry Vale !!!
Soa aho fa tsy ampy metatra.
Raha tianao dia hitadiavako ianao fa ampio kely ny famaritana azy :ny volon-kodiny, ny sns sns
Fa aza adino fa raha ireo no hitiavanao an'i Valentin dia aza mangataka gouter be loatra sao hahita valan-javatra hafa ianao lol
>Ikalamako : sao mba lasa aty Naples i Valentin! Mandroaka fako any izay
hita wa,
tsy lava loatra ve le 1m.95 kle
bony fety eee
DontoMG no anarako fa tsy Valentin fa saika nitovitovy tamin'ireo fitanisanao ireo.
1) lehilahy: OK (1/1)
2) 1m95 : izaho 2m05, tsy tao izany (1/2)
3) Maranidranitra endrika (samy manana ny ataony hoe maranitra fa raha ny oroko izao maranitra ihany nefa tsy mandidy.) angamba tsy ilay karohinao. (1/3)
4) Miakanjo mihaja (eh, tena tsy mba mahalala an'izany couturier hoe mihaja izany aho. Ny akanjo anaovako dia Gilbert Rakotomanana, Christian Dior, ...) 1/4
5) tia fivavahana OK (2/5)
6) tia namana OK, tena sady tia namana aho no be namana be koa, sady sipa manja kely daholo ny namako (3/6)
7) mazoto mitsena ahy amin'ny fiara. Tsss, tsy tafa iny. Ny ahy ny valentine-ko manana permis dia izy ihany no misafidy izay fiara tiany hoentina (Rolls, BMW, ...) Indraindray ihany vao izaho no mitsena azy (3/7)
8) Manaja ny fotoana OK. (4/8) Fa angaha misy lehilahy tsy manaja fotoana ka sipa efa tonga fotoana mbola ananovina ihany?
9) Manambola ataoko gouter. OK (5/9)
10) Mampifaly ahy. ok,5 satria mba mahay mampihomehy ihany aho. (5,5/10)
11) Mankafy ny asan'i sazykely. arakaraky ny asan'i toi izany. (5,5/10)
12) Tia miady hevitra fa tsy be dohika. OK, de toutes façons, j'ai toujours raison donc, izay miady hevitra amiko manaiky izay lazaiko fa marina foana. (6,5/11)
13) tsy sarim-bavy. OK, (7,5/12)
Ary tsy nolazain'i toi hoe efa manam-bady sa tsia. Donc tsy important @ toi iny izany. Raha toa mantsy iny important dia indrisy fa izaho koa efa manambady.
DontoMG mety ho lany ialà fa ario any n vadin là! lol
ra ts ainareo de 1m68 za de ts mety ra vao ts lava b zany
tokinao: zokin là ary hitako foana fa manao voro kitsay kou lol
Nihomehy ihany aho ry sazykely amin'ilay hoe 'tia miady hevitra fa tsy be dohika'. Ahoana tokoa moa no iarahan'ny kizitina sy ny be dohika? :-)
lalasoa: ts ndry ange n resahina eto fa izaho s valentin e donc tsisy b kizitina s bedoika zany lol
zah aloha kizitina e, fa tsy miavonavona sy mpialona sy ratsy tarehy be nify!
hihi notakonan'i Valentin, 1m95 indry dia tsy mahita ny soratra eny ambony indindra hihihi
'azonao aho tamin'iny e!'
Sazykely a! oviana no mikatona ity fitadiavana valentin ity? sao handreraka an'ah foana manko?
Nahita 1m 95 manko aho saingy ny tsininy dia ohatry ny efa hitanao izy fa andrasana fotsiny sisa ko! Mbola tadiavina sa efa andrasana? tsy midoika aho fa miady hevitra a
lalasoa: ka zay manko oa
naples: ity filazana ity dia manakery mandra-paitako azy, manantena foana aho
l'espoir fait vivre les imbéciles :-P ka aleo mba manao imbéciles tsindraindray tokoa ry sazikely fa izay maharitra vadin'andriana.
RAha izany dia hihinanan-kanina misimisy aho hitombo 7 cm dia mba anisan'ny kandidà e.
Sady ny fanantenanao efa miandry ny farany ihany ko!
sa?
hi hi hi ! mampime nareo rankizy a.
Tokinao : hi hi hi ! aza mampime hoa
Mahereza mihinambary marina ry zareo a :-D
naples: mihinana aingana ary e
simp s lap: lisany ef ts o lany mitsy fa aza mandany rondoha am zany ka
ikalamako: izay maharitra vadin'sazykely ki a