Happy birthday to you Pissoa
Isan'andro aho raha vao mifoha dia mahatsiaro antsika mianakavy ary miezaka hatrany manonona tonom-bavaka ho antsika rehetra. Fa androany aho nahatsiaro manokana an'ny zoky ka nanonona tonom-bavaka misimisy kokoa ho azy. Mitsingerina androany ny andro nahaterahany.
Mahatsiaro manokana an'i Neny kitapo nifonosany, kitapo nifonosanay.
Fa mahatsiaro betsaka an'i Zoky ihany koa. Zoky izay hatramin'ny fahakeliny no nipetraka ho zoky hatrany ho ahy eny fa na dia tsy mifanalavitra loatra aza ny taonanay roa:
-zoky ilay manome ahy ny gouter-any (vola ariary)rehefa mifanena izahay roa raha izaho avy nianatra maraina ary izy andeha hianatra hariva
-zoky ilay nitondra isan'andro ny kitapoko, ny kiraroko, ny akanjo bà-ko, ny tablier-ko rehefa mafana ny andro na isaky ny avy mianatra aza
-zoky ilay mizara amiko ny gouter-any raha laniko amin'ny vao maraina hividianana voamadilo rehefa andeha hianatra ny ahy
-zoky ilay nokapohan'ny olona teny an-dalana raha izaho nisy nahita nanoratsoratra arabe
-zoky ilay mandrandrana ny voloko raha sendra tsy mahavita Neny
Zoky zoky hatrany eny na dia any an-tany lavitra any aza, mirary soa be dia be ho azy hahavita ny zavatra ataony any ary mba hisy valiny izao fisasarany mafy sy fisarahany amin'ny fianakaviana izao.
![]()
mofomamy ho an'ny zoky
Arak' io resak' i Sazykely io moa dia hoy koa aho hoe: happy birthday, Pissoa. And good luck, Sazykely.
Hoy ny online dictionary hoe: veels geluk met jou verjaarsdag. Gelukkige Verjaarsdag.
:-)
Mirary soa lalandava e.
Joyeux anniversaire, Pissoaaaa, Joyeux anniversaaaiiire!
:-)
zah koa manao bonnanif ny zokin'i sazikely.
Mirary soa be dia be dia kiss be o !
asa i zoky na andalo eto androany na tsia fa efa tsy dia manana fotoana firy izay intsony izy
mino aho fa ho hitany ihnay kou io e
de bonn anniv kou ony ndry ozy DdRb fa mbola tavela aty aminay izy
Bô versera pissoa
Saluuu
Misaotra eee ! Mirary soa ho antsika retra akia a, dia mirary andry hahita fahombiazana koa e !
Misaotra ny namana rehetra :)
Ha ha ha be le soratra loool. Tadidiko mitsy le za voafelaka be teny an-dalana iny ha ha ha.
Bizzz njy kia a.
Bon anniversaire
jereo eto
Dia mirary soa,
ho tratry ny taona maro mitsingeringerina :)
dia enganie i zandrikely mba ho hendry tsara @ zay fa efa tsisy zoky miaro tsony :)
tratry ny fety zany ry pissoa a!
mahereza hatrany
Misaotra News2dago a !
xxx : Danke, hi hi hi.
xxx: zandrikely arovan zoky foana na izao lebe zao aza fa tanjemo an
pissoa: le njy voafelaka iany no azo tenenina fa le soratra nosoratako tsy azo tenenina tsony kou asa ra mbola taddidinjy hihihih
Tadidiko tsara - njy sy ikala fara. Ha ha ha, misenina mitsy njy ity taloha ka. Ha ha ha.
mbola tsy tara zah e,
Happy Bday Pissoa :-*
mbola misy ambiny v le mofomamy :p
Mankasitraka Pitou ! Ny anjy Kit Kat foana no avelako hi hi.
Na tara kely aza dia :
Arahaba ry Pissoa !
Ary ho tototry ny soa
sy ny kanto sy ny tsara
Dia ny mamy ho anjara
Arahaba ry Pissoa !
Ary ho fifaliana koa
Ny androm-piainanao rehetra
Fiadanana no hitoetra !
DdRb
Mankasitraka DadaRabe a :-)
Tara aho fa aleo izay toy izay tsy misy : arahabaina dia irariana ny hahatraranao ny taona maro mitsingerina ! ho tahian'Andriamanitra hahazo ny soa tsy voatanisako. Bisous
Ho an'i Pissoa io fa misaotra an'i Sazikely mampita hafatra e!
Mankasitraka tsiks a !