Happy birthday to you Pissoa

Published on 05/27,2008

Isan'andro aho raha vao mifoha dia mahatsiaro antsika mianakavy ary miezaka hatrany manonona tonom-bavaka ho antsika rehetra. Fa androany aho nahatsiaro manokana an'ny zoky ka nanonona tonom-bavaka misimisy kokoa ho azy. Mitsingerina androany ny andro nahaterahany. 

 

Mahatsiaro manokana an'i Neny kitapo nifonosany, kitapo nifonosanay.

Fa mahatsiaro betsaka an'i Zoky ihany koa. Zoky izay hatramin'ny fahakeliny no nipetraka ho zoky hatrany ho ahy eny fa na dia tsy mifanalavitra loatra aza ny taonanay roa:

-zoky ilay manome ahy ny gouter-any (vola ariary)rehefa mifanena izahay roa raha izaho avy nianatra maraina ary izy andeha hianatra hariva

-zoky ilay nitondra isan'andro ny kitapoko, ny kiraroko, ny akanjo bà-ko, ny tablier-ko rehefa mafana ny andro na isaky ny avy mianatra aza

-zoky ilay mizara amiko ny gouter-any raha laniko amin'ny vao maraina hividianana voamadilo rehefa andeha hianatra ny ahy

-zoky ilay nokapohan'ny olona teny an-dalana raha izaho nisy nahita nanoratsoratra arabe

-zoky ilay mandrandrana ny voloko raha sendra tsy mahavita Neny

 

Zoky zoky hatrany eny na dia any an-tany lavitra any aza, mirary soa be dia be ho azy hahavita ny zavatra ataony any ary mba hisy valiny izao fisasarany mafy sy fisarahany amin'ny fianakaviana izao.

 

 

 mofomamy ho an'ny zoky


Hevitra

  1. 06/06,2008 | 13:22

    Za ky mibôsy dia rehefa atoandro misy fotoana kely dia mba mandany ariary aty amin'ny cyber aloha sady mba manala azy mihaona aty e ! mirary soa r'izy roa a !

Leave a Reply

«Mialoha   1 2