Happy birthday to you Pissoa

05/27,2008 | fifaliana

Isan'andro aho raha vao mifoha dia mahatsiaro antsika mianakavy ary miezaka hatrany manonona tonom-bavaka ho antsika rehetra. Fa androany aho nahatsiaro manokana an'ny zoky ka nanonona tonom-bavaka misimisy kokoa ho azy. Mitsingerina androany ny andro nahaterahany. 

 

Mahatsiaro manokana an'i Neny kitapo nifonosany, kitapo nifonosanay.

Fa mahatsiaro betsaka an'i Zoky ihany koa. Zoky izay hatramin'ny fahakeliny no nipetraka ho zoky hatrany ho ahy eny fa na dia tsy mifanalavitra loatra aza ny taonanay roa:

-zoky ilay manome ahy ny gouter-any (vola ariary)rehefa mifanena izahay roa raha izaho avy nianatra maraina ary izy andeha hianatra hariva

-zoky ilay nitondra isan'andro ny kitapoko, ny kiraroko, ny akanjo bà-ko, ny tablier-ko rehefa mafana ny andro na isaky ny avy mianatra aza

-zoky ilay mizara amiko ny gouter-any raha laniko amin'ny vao maraina hividianana voamadilo rehefa andeha hianatra ny ahy

-zoky ilay nokapohan'ny olona teny an-dalana raha izaho nisy nahita nanoratsoratra arabe

-zoky ilay mandrandrana ny voloko raha sendra tsy mahavita Neny

 

Zoky zoky hatrany eny na dia any an-tany lavitra any aza, mirary soa be dia be ho azy hahavita ny zavatra ataony any ary mba hisy valiny izao fisasarany mafy sy fisarahany amin'ny fianakaviana izao.

 

 

 mofomamy ho an'ny zoky


mitsidika, mamangy ireo namana

04/24,2008 | ny akama rehetra

manao ahoana daholo isiska rehetra

 

ela ela izay indray izaho no tsy teto, efa fantatrareo ihany e!

saingy malahelo dia manoratra sady mba te hilaza vaovao kely e:

-mihamahia isan'andro 60kg lasa 48kg sisa indrisy mantsy

-mingitrika amin'ny fivavahana foana satria ilaozana mandeha manao terrain foana

-marary kibo lava fa vokatra ny goavy eo antokotany dia ilaozana mihanika goavy

-leo be fa tsy maintsy mampiasa saina be loatra amin'ny fianarana foana isaky ny miposaka ny masonadro tsy mba misy fotoana hilalaovana mihitsy lol

-saingy ny mahafinaritra dia karamaina izahay mianatra: nandray bourse izahay androany ny ankizy lasa niaraka nirevy any fa izaho kosa te hirevy miaraka aminareo

-vaovao tsara ihany koa misy namana eto amin'ny blaogy handalo aty dago dia mivavaka mafy aho mba tsy any ampanaovana terrain indray rehefa tonga izy lol

big kiss for all surtout pou my sista Pissoa, ikalamako, ry simp sy lap mpanatsatso ahy foana lol 


hanao veloma vetivety

03/04,2008 | Ankapobeny

Tsy hoe hanadino sanatria antsika namana rehetra eto amin'ny blaogy sy ny serasera. saingy atosiky ny fiainana ka voatery hiato kely fotsiny. Mbola hiverina aho an!!!

Miditra mantsy no eny  am-pianarana ka mety tsy hiasa kely aho ary rehefa tsy miasa dia tsy mahazo connexion garatuite intsony. Aty dago mantsy lafo be ny connexion raha mankany amin'ny cyber sady mba aleo aloha hitady concentrement kely lol amin'ny fianarana dia mba ho tafitafita kely eny e!

 Mandra-pihaona ho an'izay afa-mihaona amiko! mandra-piresaka sy mandra-panoratra indray ho antsika rehetra rehetra


ireo tsiambarateloko TAGGE

02/29,2008 | ny akama rehetra

voafidy ihany ny namana afaka hijery ity lahatsoratra ity satria ny namana izay tiako ahalala ny tsiambarateloko ihany! lol

 azafady tsy maintsy fito ngah mou izy ity e?

1)izaho no atao hoe tara lava fa tsy fantatry ny mpampiasa ahy lol

2)izaho anefa mahagaga fa dia manana conscience professionnelle be mihitsy lol

3)tia manampy olona saingy manao izany tsy miera amin'ny ao an-trano

4)somary bebe resaka saingy miavona amin'ny voalohany

5)tsy mahay mitendry gitara aho fa teneniko ny olona rehetra hoe izaho mahay mitendry gitara lol

6)ndraindray zandry lahy mamorona tonokalo dia rhefa hitako hoe tsara be dia tambatambazako bisous izy hoe aleo io ho ahy lol

7) ny fahafito lany lainga hoforonina aho ry reto fa aok izay a

 


ny tagy sy taggé amiko

02/22,2008 | Ankapobeny

Voatery aho manoratra ity article ity, ho fanomezam-boninahitra ireo izay nanao fikarohana mafy momba azy mitsam ireo sy ho famaliana any antso nataon'ikalamako

TAGY, TAGGE aiza ary lisany fa tena tsy azoko mihitsy e!

mifono misitery lehibe ho ahy ireo teny ireo saingy ohatran'ny hoe lamaody moa dia mba hanandrana koa vendrana koa.

 TAGGE nitady an'là no nataoko androany tontolo fa tsy hitako ialahy, nanerana ahy ny internet, navadiko tsitairay ny takelaky ny dictionnaire, nanotaniako daholo ireo olona mety ho fantatro nifanena amiko androany ary siora aho fa hanonofy an là raha mbola tsy hitako alohan'ny hatory ialahy sy ny misitery lehibe entin'ialahy

 TAGGE modia haingana fa miandry NENY lol

 


1 2 3 4 5 6 7  Manaraka»