fizarana bulletin ho an'ny mpiblaogy

Published on 01/16,2008

Saika nataoko hoe dokam-barotra ny lohatenin'izy ity dia tonga tao an-tsaiko tampoka fa hay moa tsy amidy ny blaogy.

Ianareo ve nanao kilalao mpampianatra mpampianatra tamin'ny mbola kely ( fanotaniana apetraka amin'izay efa lehibe fa tsy ny mbola kely toa an'i Pissoa io an lol)

Izaho ry reto na hatramin'izao aza dia mbola manao izany foana a! Dia faly be aho mampahafantatra anareo fa androany no atao ny fizarana bulletin ho antsika eto amin'ny blaogy dia ento ny ray aman-dreny na ny mpiantoka an. Tandremo sao dia mitondra olona sandoka!

Asa ny tianareo na hatomboka any amin'ny farany na any amin'ny voalohany, fa ny ahy dia ny dimy voalohany ihany no lazaina ampahibemaso fa ny ambiny kosa dia anotanio i HERY

Ireto ary ny laharana dimy voalohany (misy tsy mahandry mihitsy izy znay!!!!, itsy izao manatena hoe izy an!!! asa anefa!!)

ny voalohany IKALAMAKO ( ny antony satria izy nametraka ny sariko tany anaty blaoginy , misy kolikoly izany raha tsy azonareo lol)

ny faharoa DADARABE (ny antony satria misy zavatra tena tsy maintsy ilako azy dia andao izy mody atao faharoa lol satria manko ao anatin'ny blaoginy feno aingampanahy sy asan'ny saina be dia be tsara tohizo!)

ny fahatelo TOKINAO (satria ny blaoginy satria izy lehilahy dia izaho vehivavy lol laingako izany fa ny blaoginy kosa ry reto tena feno sary sy en couleur be mihitsy a)

ny fahaefatra PISSOA (ny antony sao dia vonoiny izaho raha tsy atao fahaefatra izy, non satria izy sahy mijoro amin'ny mahaizy azy hatramin'ny farany:

Sipakely miavonavona be.
Sarotra hifandraisana.
Mora tezitra sady mpitana alahelo.
Kizintina.
Vezetarianina.
Tsy tia gateau fa tia labiera.
sns.

ny fahadimy VAOVAOETOANTOERANA veto satria izy intellligent be maharaka actualités aty dago tsara

oadray izaho indray no adino! aiza koa ry HERY  ry tsiakisariaka, ...

euhhh!!! nefa io avy any amin'ny farany lol

NB: ny lisitra feno sy tena marina tsy misy kolikoly dia ho hitanao ao amin'ny takelaka fandraisana ny blaogy.com

asa ianareo na efa nandalo nitsidika tany na tsia fa ho an'izay mbola tsy nahita dia ireto misy blaogy izay tena nahazendana ahy tokoa ny nahita azy dia manasa antsika hitsidika azy ireo koa e!


Hevitra

  1. lap
    01/16,2008 | 10:02

    Izay mahakolikoly manana ny soa e :-P

  2. 01/16,2008 | 10:11

    lap a efa azonao ve n bulletin anao?
    enao zao ts naazo moyenne koury de nafenina an neny an lol

  3. 01/16,2008 | 10:13

    na tezitra be aza ny sarin'i sazikely azon'ny paparazzi dia soa fa mbola voalohany ikalamako, hihihi.
    Melsi akia a, fa manjary midongy za efa sahirana nametraka an'io, lol

  4. 01/16,2008 | 10:19

    ikalamako a ka ny marina nge n navoakanao de ts afa mamaly za e sazykely en vrai sady le ts naazo gatô iny kou
    ra anaovanjy gatô mitokana zao za de atao avant tou njy lol

  5. lap
    01/16,2008 | 10:23

    sazykely, ka mingitrika ve moa hahazo bulletin e ? ;-)

  6. 01/16,2008 | 10:42

    o ry lap a zany kou ky ngamba n ts napaazo anà e lol

  7. 01/16,2008 | 11:27

    sazykely : ha ha ha !
    Ikalamako zany no tinjy no za, hi hi hi.
    Ikalamako : tsy hijery ny blaogin'ikalamako tsony lolololol

    lap : aleo koa ny blaogin'lah tsy hitan'i sazykely fa misy sary tsy azon'ny ankizy kely jerena, hi h i :-P

  8. 01/16,2008 | 12:58

    Manao ahoana Sazykely à

    Hay moa an-kizara bulletin izy ity. Ny ahy dia omeko anao izany ny bulletin-ko é!

    Misaotra amin'ny toraka bulletin. :-))

    DdRb

  9. 01/16,2008 | 13:16

    tsy ratsy indray ilay hevitra mizara bulletin fa ...saingy tena kolikoly marina izy izany fa toa izay ilainy sazykely daolo no lany!!! hihihi
    fa na izany aza raha izaho koa no nifidy dia nataoko ex aequo (zao v mou?) daolo nareo rehetra ato @ blaogy...

  10. 01/16,2008 | 18:18

    nda hiantso bianco ah fa misy zavatra tsy mazava ato :)

    avoay i Voninahitra sy Pety :-P

  11. 01/16,2008 | 18:47

    Misaotra ny mpitsara alhoa fa dia mahafinaritra e. Ny nampalahelo dia izaho vokin'ny pub cours accéléré "tsy ny namanao ny hifaninanao fa ny tsara vitanao omaly"!
    ny loza dia ny Mpampianatra indray no nahazo laharana ambanin'ny Mpianatra any amin'ny laharana tena tsy miss kol kol
    asa raha mila mamorona NERO izany fa tsy mahomby ny BLANCO!!!!

  12. 01/16,2008 | 19:02

    ankizara biletin ndray izy izany.
    Nena tsy teniteneniko fa mamenatra. Aleo za iany no ahita azy ;)

  13. 01/16,2008 | 20:46

    Msôtra sazykely a!!!
    Hay mbô ni-pasy iany raToky na de nigitringitrika aza tany ampenarana 'ko hihihi

  14. lap
    01/17,2008 | 09:48

    Oay koa pissoa e, anankiray ihany aza no sary cochon ao ko ! Jereo eto :b

  15. 01/17,2008 | 10:43

    n an simp kou n alaelo an pety no iantsoana bianco
    sad atsoy eo ange reny fa eano ndray no entiny manaraka azy any e lol

  16. 01/17,2008 | 11:51

    OOOaaaah! inona ity nataon'i Sazikely, misaotra indrindra ihany na dia izany aza, izaho aza fahagidagidany ao amin'ny mavitrika ao koa :)

  17. 01/17,2008 | 12:39

    ialana tsiny fa tsisy reclamation izy ty ry jentilisa a sinon mametraha kely e lol

  18. 01/17,2008 | 21:39

    Tsy maintsy hoe ze redoublant ihany nge no voalohany any ampianarana e!!! :D

  19. 01/18,2008 | 10:36

    za zao mbola mieritreritra haka sary an'i sazikely indray mba hitazonako ny seza fiandrianakao, soa fa ny mafia tsy manao bianco tsinona fa tonga dia règlement ka mitandrema daholo an !!! Ataoko sazikely mitsikitsiky amin'izay !

  20. 01/18,2008 | 19:34

    Omeo sazy kely ry sazykely ze mtady hanao masazy kely a! hihihi

    "manotra" aloha no tena fteny fa tsy haiko ra fteny koa io "manao massagy" io e

Leave a Reply