Come back

02/18,2010 | izahay irery

Normal 0 21 false false false MicrosoftInternetExplorer4

Nandalo izy dia niserana!

 

Roa volana eo ho eo no nandalovany teto an-tanindrazana!Nandalo dia niserana saingy namoha fahatsiarovana maro ary namela fahatsiarovana maro ihany koa. Ny volana oktobra 2009 no nilazany taminay fa hoavy izy. Nientanentana ny fo, toa tsy hahandry izany

saing nangahiahy kely rehetra rehefa niverina niantso izy ka niteny indray hoe desambra indray vao hoavy.

Fa tsy maninona izany! toa hadino rehefa tonga izy!

 

Toa fety hatrany ny tao an-trano nandritry ny fotoana rehetra nahateo azy, niaraka nankalaz any Noely, ny fetim-piangonana tany ambanivohitra sy ny fiangonana misy anay niara-nitsena ny taona vaovao,…

 

 

 

19 desambra 2009: tonga, nigadona teto an-tanindrazana Notsenain'i Dada sy ry zoky sy ry zandry Toy ny tsy nanaterako azy tamin'ny fandehanany  niverina tany am-pita tamin'ny taona 2007 no tsy nahavitako nitsena azy teny. Ho ahy mantsy io toera-piantsonan’ny fiaramanidina eny Ivato io dia mitahiry fihetseham-po tsy mety lefy (teo no nahitany ny endriky Neny farany tamin’ny niaingany tamin’ny taona 2004).

 

Toa niverina tao anatiko indray ilay fiarahanay roa fony kely na mandeha mianatra na mandeha mivavaka na mankaiza na mankaiza.

Nifanjohy teny foana izahay, tsy azo navela irery rahateo izy noho ny fahasahiranany amin’ny fiovaovan’ny paozin’ny tanana.

Tadidiko niverimberina tao am-bavany foana ny hoe “mahantra ny taniko”. Mampalahelo azy ny mahita ny fako miavosa etsy sy eroa, ny fitohanan’ny fifamoivoizana.

Tadidiko tena nanamarika azy ihany koa  ny nahita mpanedaka nanendaka vazaha teo amin’ny esplanade analakely (tena teo alohanay mihitsy ilay vazaha) ary ny nahita lozam-piarakodia teny ankorondrano.  Tsy mino mihitsy izy ilazako fa misy mpadindy kitapo sy mpanao sinto-mahery eny amin’ny toerana be olona saingy nahita izy tamin’izay

 

 

…………………………….be dia be ts voatanisa ny zavatra nitranga taty saingy ……………………………………………………………………………………………………………………………….tena tadidiko ihany koa ilay feony rehefa mihira, dia somary gaga aho fa lasa tsy manao afa-tsy feo faharoa izy …………………………………………………………………………………………………….

16 febroary 2010: naterina teny Ivato indray izy! Vao maraina mbola tsy mihiratra akory ny masoandro dia nifoha niarina fa handeha! Handeha sahady!

Izahay mianakavy kely no tonga voalohany tney Ivato, mbola nikatona aza trano rehetra teny.

 

Lasa izy, Toa tsapako ho fotoana fohy izany atao hoe roa volana!

 

“Fa mamiko loatra ianao ry ankany”

 

 

Normal 0 21 false false false MicrosoftInternetExplorer4


ho fahtsiarovana an'i Neny

12/17,2007 | izahay irery

SOA FA NISY IRENY

Soa fa nisy ireo hira
Izay fikalokalonao
Soa fa nisy ireo hira
Lasa fikaloko amin'izao
Ao am-bavako ireny
Ilay hira maminao ry Neny
Soa fa nisy ireo hira
Mampitodika ahy indray
Soa fa nisy ireo hira
Nampiaraha-peo fahizay
Mifono anatra ombieny
Tsaroako ireny rehetra ireny

Soa fa nisy ireo sary
Mampatsiahy ny endrikao
Soa fa nisy ireo sary
Mamelona ny tsikinao
Ao am-ponay indray ry Neny
Fa mafy ny nilaozanao
Soa fa nisy ireo sary
Mamerina ireo fahiny
Soa fa nisy ireo sary
Mampitadidy iny ora iny
Ny ora nanitrihana anao Neny
Hihidy anaty fasana ao


aingam-panahy

12/17,2007 | izahay irery

FITIA
Fitia vao mitsiry
Fitia tsy hananam-piry
Fitia tsy manam-petra
Fitia tsara noho ny rehetra

Fitia lazaina ho sarobidy
Fitia tena tsy ho voavidy
Fitia hambara fa hoe tokana
Fitia tsy ho voazaran'ny olana

Fitia tena vao tokoa
Fitia tsy hanam-paharoa
Fitia hokaloina hoe soa
Fitia sanatria tsy ho lo

Fitia andrandrain'ny maro
Fitia tsy azo hafangaro
Fitia milaza ho tena tia
Fitia ny fitiavantsika akia


irery manirery

12/17,2007 | izahay irery

IRERY-MANIRERY

Irery aho izao
Tsapako toa lavitra ahy, any ianao
Oriory izato foko
Tsy eo anilako ianao ilay tsy foiko


Nalatsako ny ranomaso
Ranomasom-panembonana, ranomason'ny ankaso
Ny foko vonton'alahelo
Mijaly manirery, indrisy toa mamelovelo



Ny saiko reraky ny tsiaro
Ireo andro niarahana, ora sy minitra maro
Any ianao any
Saraka anao izaho najary nitomany


RAY Ô!!!

12/17,2007 | izahay irery

RAY Ô!

Ray ô!
Misy zanakao enjehina
Fa hoe tsy mendrika ho tiavina
Fa mahantra ka tetehina
Hovonoina sy halevina
Ray ô!aza avela ho very maina
Ny fahoriana izay hiaretany


Jesoa ô!
Ny zandrinao hiray fo
Tsy avela fa sakanana
Tadiavina ho verezin-jo
Fa hoe tsy mendrika fiadanana
Jesoa ô!aza avela ho very maina
Ny fitiavana ao am-pony


Fanahy ô!
Tongava hanampy anay hitolona
Hatanjaho ny fo sy saina
Enga anie ho eken'ny olona
Ny firaisanay aina
Fanahy ô!aza avela ho very maina
Ny tolona ilofosanay
 
PIRATE NO!!!